Actualités

Inona no hitranga eny Ambohijatovo rahampitso ?

Fanakanana ilay fihaonana karakarain’ireo solombavambahoaka voafidy tamin’ny alalan’ny antoko Tiako I Madagasikara no fandraisan’ireo mpanohitra ny fepetra noraisin’ny ben’ny tananan’Antananarivo. Nambaran’ity farany manko fa tsy azo hanaovana hetsika ny kianjan’Ambohijatovo noho ny fanatsarana hatao eny an-toerana izay efa manomboka ankehitriny. Tsy nisy anefa ny fanakanana mivantana izany hetsika izany fa tsy ao amin’ny Zaridain’Ambohijatovo fotsiny no hanatanterahana izany. Zon’izy ireo no manao io tatitra amin’ny vahoaka io fa kosa tsy tokony hahitana fanakorotanana ny fiainam-bahoaka izany indrindra ny manodidina ny toerana hanaovana ilay tatitra. Mbola tsy hay ny fiovana amin’ny toerana noho izao fepetra noraisin’ny avy ao amin’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra izao. Inona no mety hiseho aloha sy mandritra io sabotsy ho avy izao io, zary toa miandry fotsiny izay mety hiafaran’ny tantara ny vahoaka ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire