Tatitra

Espagne : fihetsiketsehana mitaky ny hamoahana an’i Pablo Hasael

Voaheloka an-tranomaizina mandritra ny sivy volana ny mpanakanto Pablo Hasael. Tsy nahafaly ireo mpakafy anefa izany ka nahatonga izao fihetsiketsehana hataon’izy ireo izao. Voalaza ho ntony nisamborana ity mpanakanto ity ny faniratsirana sy fanaovana fampihorohohana amin’ny hira hataony sy ny lahatsoratra izay hambarany amin’ny tambazotra sosialy, hoy ny fampanoavana. Nampiditra azy am-ponja ihany koa ny filazany fa mpamono olona sy mpanatanteraka baiko tsy amin’ny rariny ny tafika ao Espagne. Milaza ny vahoaka any an-toerana fa tsy misy intsony ny fahalalahana miteny ary nangataka ny famotsorana haingana ity mpanakanto ity izy ireo. Saika ahitana fihetsiketseham-bahoaka hatrany na ny ao Madrid, na ny any Barcelone. Tsy ny mpankafy irery ihany anefa fa saika ny mponina ao Espagne rehetra no manao izao fihetsiketsehana izao. A

Laisser un commentaire