Alasora : Misy ny andrimasom-pokonolona tao amin’ny fokontany Ambodivondava
Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny fampiharana ny andrimasom-pokonolona, tao amin’ny fokontany Ambodivondava Alasora.
« Tato ho ato dia hita tokoa ny firongatry ny vaky trano sy ny asa fanendahana, indrindra ny alina. Mandry tsy lavo loha ny mponina ka izay no antony nametrahana sy namerenana indray ny andrimasom-pokonolona, izay hampandraisana anjara ireo vatan-dehilahy eto an-toerana mba hiambina sy hanara-maso ny tanàna » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
« Zava-dehibe ho an’ny mponina, manoloana ny tsy fandriam-pahalemana izao hetsika izao. Hisaorana ireo tomponandraikitra sy ny vatan-dehilahy amin’ny ezaka sy ny fitsinjovana ny mponina » hoy i Clarisse, renim-pianakaviana.
Anisan’ny manampy ny mpitandro filaminana amin’ny fanatanterahana ny fisafoana amin’ny alina sy ny fampandriana fahalemana ny tanàna ny hetsika tahaka izao. Na izany aza anefa, ilaina hatrany ny fiaraha-mientana sy ny fiaraha-miasa raha tiana ny hanafongotra ireo mpanao asa ratsy.
