ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy:  Mpianatra am-polony safotra, tsy nahatsiaro tena tao amin’ny LMAI

Nanaitra ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ny zava-niseho tao amin’ny Lycée Moderne Ankadikely Ilafy,  ny fiandohan’ny herinandro teo. Mpianatra am-polony no torana tsy nahatsiaro tena, araka ny voalaza.

« Amin’ny maha ray aman-dreny dia tsy maintsy mitaintaina nahare ny zava-nisy satria tsy fantatra mazava izay tena nitranga. Tomponandraikitra goavana ny sekoly satria hanovo fahalalana, ho beazina no handefasana ny ankizy any kanefa ankizy torana no re mandritra ny fotoana fianarana » hoy i Fanja,  ray aman-drenin’ny mpianatra.

« Toeram-panabeazana ny sekoly, midika izany fa tomponandraikitra ireo mpanabe amin’ny fikolokoloana ireo mpianatra, ao anatin’izany ny fitandrovana ny fahasalaman’ny mpianatra sy ny fanajana ny zon’izy ireo. Tokony ahafantatra ny filàn’ny mpianatra hatrany ny mpampianatra, amin’ny maha mpampianatra azy hisorohana ny tranga tahaka izao » hoy i Haris, nianatra momba ny fiarahamonina.

Marihina moa fa tsy nahatsiaro tena vokatry ny hafanana ireto mpianatra ireto, nandritra ny fotoana fananganan-tsaina tao an-toerana, narahana fanentanana mahakasika ireo tsara ho fantratra momba ny aro lozan’ny fifamoivoizana azy ireo tao amin’ny sekoly.

Laisser un commentaire