Turquie : Migadra mandrapaha-fatiny ireo niray tsikombakomba tamin’ny famonoana teratany alemana 12
Mpiray tsikombakomba 4 no voaheloka hisazy antranomaizina mandrapahafatiny manoloana ny famonoana teratany alemana miisa 12, ny volana janoary 2016 araka ny didim-pitsarana navoakan’ny tribonaly turc ny talata 06 aprily 2021. Efa nisy olona 3 voaheloka ny taona 2018 saingy votsotra kosa izy ireo noho ny tsy fisian’ny porofo mazava manoloana ny fitoriana azy. Ankoatr’ireo, 18 ihany koa ireo olona efa noahihina tamin’ity raharaha ity saingy tsy nahomby ihany koa ny fitoriana azy ireo. Raha tsiahivina, andrana famonoana olona faobe na ny fanaozavana “kamikaze” no nahafatesan’ireo olona 12 ireo ny 12 janoary 2016. Mpizaha-tany avokoa izy ireo raha araka ny fanampim-baovao, ka tonga nitsidika ny toerana manatantara indrindra ao Instanbul. Syrien 28 taona ilay “kamikaze” tamin’io andro io hoy ny manampahefana turques tamin’izany fotoana. Ity niseho ny taona 2016 ity araka izany no andrana famonoana olona nahatsiravina indrindra niseho tao Turquie. Antony tsy maintsy nitadiavana ny marina na efa firy taona aty aoriana aza.
