Nahatratra 12 ny isan’ny maty tamin’ny lozam-pifamoivoizana tany Anteza
27 Septambra, 09h00. Tafiakatra 12 ny isan’ireo maty nandritra ilay lozam-pifamoivoizana tany Anteza, RN7 ny alahady 26 septambra lasa teo. Tsy vitsy ihany koa ireo naratra ka ny fanjakana no anndray an-tanana manontolo ny fitsaboana azy ireo ao amin’ny Hopitaliben’i Fianarantsoa hoy ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka.
