Inona no antony tsy maintsy handoavana ny hetra ?
Marina fa ny hetra dia heverina ho vesatra ara-bola ho an’ny olom-pirenena matetika nefa tsy hazavaina amin’izy ireo izay hampiasaina azy. Hangonina ny hetra amin’ny zava-drehetra fa tsy fantatra izay lalany any aoriana any na farafaharatsiny tsy mahita tombony amin’izy ireo.
Tsy dia resahina matetika momba ny hetra kanefa maneho andry eo amin’ny fiaraha-monina izy ireo, indrindra eo amin’ny lafiny fampandrosoana. Ny hetra dia fandoavana an-tery ary tsy endrasana valiny amin’ny andrim-panjakana. Tsy maintsy atao satria maha-olom-pirenena mandray andraikitra; tsy endrasana valiny satria tsy misy tombotsoa andrasana avy hatrany eo ny eo. Inona ny dikan’izany ?
Mba hiantohana ny fampandehanan-draharaham-panjakana araka ny tokony ho izy, dia mila famatsiam-bola ny fanjakana ohatra. Mety ho an’ny fanabeazana, fahasalamana, fiarovana ary ny maro hafa izany. Noho izany, ny ampahany betsaka amin’io famatsiam-bola io dia avy amin’ny hetra aloa.
Etsy andaniny, mikendry ny hampihena ny tsy fitoviana ara-toekarena eo amin’ny fiaraha-monina ihany koa ny hetra. Bebe kokoa ny vola alaina amin’ny mpanankarena mba hanohanana ireo sahirana. Tsy midika akory izany fa tsy mandray anjara amin’ny hetra ireo sahirana fa mandray anjara amin’ny fomba hafa. Ohatra, rehefa mividy zavatra izy ireo dia efa misy ampahany amin’ny vola aloa miditra amin’ny hetra.
Etsy ankilany, tsy maintsy mankasitraka ny fitoniana ara-toekarena ny hetra. Toy ny amin’ny fotoanan’ny krizy, afaka manapa-kevitra ny fitondram-panjakana amin’ny fampihenana ny hetra izay mety hahasarika ny fampiasam-bola bebe kokoa mba hizoran’ny hetsika ara-toekarena ary tsy hampiato ny toe-karena.
Noho ireo hetra ireo ihany koa dia afaka manome fotodrafitrasa ara-panjakana manara-penitra ho an’ny mponina ny fitondram-panjakana, na hikolokolo tsara na hanangana: lalana, tetezana, sekoly, hopitaly, fitsinjarana rano, sns.
Araka izany, mandray anjara amin’ny fampandrosoana sy ny fitoniana ny fiarahamonina ny olona tsirairay mandoa ny hetrany. Ny fandoavana hetra dia zava-dehibe ho an’ny rehetra, satria andry eo amin’ny toe-karena sy ny fiarahamonina.
