ActualitésTsidika

Ambohimanga Rova: Notolorana loka ireo ankizy mahay indrindra

Notoloran’ny fikambanana Mihary, avy ao amin’ny kaominina Ambohimanga rova fanomezana ireo mpianatra mahay indrindra sy ireo tsy ampy fitaovana, tao amin’ny EPP Anosiarivo. Faly sy ketrika ireo mpianatra sy mpampianatra tao an-toerana noho izany hetsika izany.

“Hisaorana ny association Mihary amin’ny ezaka sy ny tolotra izay nataon’izy ireo ho an’ny mpianatra. Zava-dehibe ho an’ny ankizy tokoa izany satria manosika azy ireo hanome ny tsara sy hiezaka hatrany amin’ny fianarana. Ankoatra izay, mbola nisy ihany koa ny fitaovana maro koa toy ny boky, tsaoka, penina ary indrindra ny ordinateur complet miampy imprimante” hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny sekoly.

“Anisan’ny antom-pisian’ny fikambanana ny manao ezaka sy mitondra fanampiana ho an’ny sekoly, indrindra ny eny amin’ny ambaratonga fototra. Mbola maro amin’izy ireny no tena sahirana sy mila fanohanana ka ny fifanomezan-tanana dia anisan’ny manosika sy mampandroso azy ireny, indrindra entina manatsara ny voka-pandinana” hoy ireo avy amin’ny fikambanana.

Mila fanohanana ny ankizy eny an-tsekoly, indrindra ny eny amin’ireo sekoly ambaratonga fototra, EPP. Ny fanohanana azy ireny, na ara-pitaovana, na ara-tsakafo, na ara-moraly dia anisan’ny mandray anjara lehibe amin’ny fampandrosoana eo amin’ny fampianarana sy ny  fanabeazana. Miainga amin’ny fikolokoloana ny ankizy no antoka mampandroso sy fananany ho avy tsara.

Laisser un commentaire