France : Niteraka fanovan-dalàna ny raharaha fanolanana tao Pontoise (Val-d’Oise)
Nisehoana raharaha fanolanana niteraka resa-be sy fanovan-dalàna tao Pontoise (Val-d’Oise) tamin’ny taona 2017. Lehilahy 28 taona no nitarika zazavavy 11 taona hanaraka azy tany an-tranony tao Montmagny (Val-d’Oise). Rehefa nangataka tamin’ilay zazavavy mba hikitika ny filahiany ilay lehilahy dia nanaiky ilay zaza 11 taona ka nentina tao an’efitra.
Niray tamin’io lehilahy 28 taona io ilay zavavavy 11 taona monja. Tsy nandà ary nanatontosa an-tsitrapo io zazavavy io raha ny valin’ny fitsarana tao Pontoise (Val-d’Oise). Niova raharaha fanaovana firaisana ara-nofo tsotra tamin’ny zaza tsy ampy taona ilay raharaha fanolanana noho izany. Manoloana io tranga io dia nasiana fanovan-dalàna tao an-toerana. Nofaritana tsy manaiky avokoa (non-consentant) ny ankizy rehetra latsakin’ny 15 taona miray ara-nofo.
