Masindray : Tsy handray anjara amin’ny tournoi U9-U11 eny Analamanga park ny Buffalo
Tsy handray anjara amin’ny lalao baolina kitra izay nokasaina atao eny Analamanga park ny sekoly fianarana baolina kitra Buffalo ao Masindray. Araka ny voalaza, nisy ny fivoriana izay niarahana tamin’ireo ray amandrenin’ireo mpianatra sy mpilalao ao amin’ny klioba ka nandraisana izany fanapahan-kevitra izany.
“Tapak’ireo ray amandreny vitsivitsy sy mpitantana ary mpanabe fa ajanona ilay tournoi u9-u11 saika handraisantsika buffalo anjara eny Analamanga park ny décembre 27-28. Manoloana izany anefa dia mirary ireo mpikarakara sy mpandray anjara havita soa izay lalao izany” hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny Buffalo.
“Ho an’ny tohin’ny fandaraharam-potoana dia hisy ny ny match amical hiaonana amin’ireo école de foot hafa ny zoma 30 desambra, manomboka amin’ny 8ora maraina ka ireo U8,U10,U13 elites sy débutants no hilalao anatin’izany” hoy hatrany ny mpikarakara.
Marihina moa fa eny amin’ny kianja synthétique Syssi, Manandona Bypass no hanatanterahana izany lalao ara-pirahalahiana izany ary misy ny fandraisana anjara ho an’ny tsirairay.
Manitra Ramanantsoa
