Ankadikely Ilafy: Misy ny hetsika fanaovam-baksiny Polio faobe
Misy ny hetsika fanaovam-baksiny entina miady amin’ny aretina lefa-kozatra (polio) ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy amin’izao fotoana izao. Haharitra efatra andro izany araka ny voalaza, ka tsy hifarana raha tsy amin’ny zoma 20 oktobra.
“Ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ireo rantsa mangaiky ny fahasalamana ety ifotony no mikarakara ity hetsika ara-pahasalamana ity, koa entanina ny rehetra mba hanao izany vaksiny izany ho fisorohana ny takaitra sy ny fahavoazana ateraky ny aretina lefakozatra » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Mbola maro ireo tsy resy lahatra amin’ny fanaovam-baksiny polio. Maro ireo tsaho sy antony manakana ny olona tsy hanao izany, ka tokony hampafantarina ny daholo be fa azo antoka ho an’ny fahasalamana izany, satria ny tsaho sy ny tsy fahampian’ny fahalalana dia manimba” hoy ny avy amin’ireo mpanentana ara-pahasalamana.
Marihina moa fa notanterahina omaly tao amin’ny kaominina ihany ny lanonana fanokana ara-pomba ofisialy izany hetsika ara-pahasalamana izany ho an’ny teto amin’ny distrika Avaradrano.
Manitra R.
