Anjeva Gara : Ny taolany sy ny lohany ary ny tongony sisa no hita tamin’ilay ombivavy
Nisehoana halatr’omby tao Anjeva gara ny alin’ny 24 martsa lasa teo. Ny taolany sy ny lohany ary ny tongony roa sisa no tavela tamin’ilay omby.
« Tena mampalahelo mihitsy ny tompon’omby amin’izao. Izay kely nohariana indray no nisy naka. Omby telo samihafa no nisy namoaka indray alina teto ary ity ombivavy ity no hita ny fatiny teto Atandrokomby. » hoy i Lolona, mponina ao Atandrokomby Anjeva Gara. « Ombivavy vao teraka 3 volana io hita io ny taolany. Omby roa hafa hafa avy etsy Imerikasina no very niaraka tamin’izay. Tsy vao izao no nisy trangana halatr’omby teto fa efa matetika mihitsy. Miantso ny manam-pahefana mba hiaro anay vahoaka » hoy i Tahiana, mponina ao Anjeva Gara.
Izay kely ompiana tokoa no misy maka indray. Mila fiarovana avy amin’ny tompon’andraikitra ny vahoaka mba hahafahan’izy ireo mihary am-pilaminana.
Nicole Rafalimananjara
