SocialTsidika

Ambohitraina Ilafy : Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana

Mandry tsy lavo loha ny mponina ao Ambohitraina Ilafy Avaradrano amin’izao fotoana izao noho ny tsy fisian’ny hazavana mandritra ny alina. Maro ny tokantrano voaroba, tsy vitsy ihany koa ireo trangana fanolanana hita teny an-toerana hany ka miaina anaty tahotra ny mponina ao an-toerana.

« Maizina be eto rehefa amin’ny alina hany ka mahazo vahana ireo tontakely manafika ny trano tsy dia misy lehilahy hany ka matetika ny fanolanana » hoy i Ramanantsoa Renaud, solontenan’ny fokonolona any an-toerana. « Vao tsy ela ihany koa izao no nisy tsindron’antsy teto izay namoizana ain’olona mihitsy, andian’olona maromaro mihitsy izy ireo ka tsy nahafahana namantatra ny tena olon-dratsy » hoy ny filoham-pokontany any an-toerana. « Miantso ny tompon’andraikitra izahay manoloana izao tsy fandriam-pahalemana eto izao indrindra ny mba tokony hanasiana hazavana ny tanàna izay mampahazo vahana ny vaky trano » hoy ireo mponina.

Rehefa tonga tokoa ny hazavana dia mihalefy ny asan’ny maizina rehetra, tokony ho hafaingananina ny fandraisana andraikitra manoloana izao fitarainana mihatra aman’aina izao. Rahoviana vao ho feno hazavana ny firenena iray manontolo ka hiala ho azy ny ratsy ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire