Tsidika

Manjakandriana: lehilahy telo mpanao aferana rongony sy zava-mahadomeliona hafa no trà-tehaky ny zandary

Nahatrarana mpanao aferana zava-mahadomelina indray omaly tany amin’ny Distrikan’i Manjakandriana. Raha ny voalaza dia izy ireto no anisany mpamatsy zava-mahadomelina manerana ity Distrika ity. Nandritra ny fisavana natao dia  voly rongony  miisa 45  fototra sy zanaka rongony “pépinière” 5 fototra milaja 4 kilao no tratra ka nongotana sy nogiazana. Ankoatra ireo dia nahitana rongony efa maina 1 kilao, métamphétamine 500 grama ary  héeorine na ilay antsoina oe rôrô milanja 6 grama ihany koa izy ireo ary niaraka tamin’izany ireo fitaovana maro samihafa fidorohana zava-mahadomelina. Ireo rehetra ireo dia nogiazan’ny zandary avokoa raha nahiditra am-poja vonjimaika kosa ireto mpanao ny  asa ratsy.

Nanazava ity tompon’andraikitra iray avy amin’ny zandarimaria any any an-toerana fa efa ela no naharaisana fitarainana ny mikasika ity  tambajotra mpamatsy zava-mahadomelina ity sy nanaovana ny fikarohana sy fanaraha-maso azy ireo ary dia izao trà-tehaka izao.

Tetsy an-danin’izay dia naneho ny fitarainany ireo vahoaka any an-toerana ny amin’ny voka-dratsy aterak’ity tambajotra mpamatsy zava-mahadomelina ity amin’ny tanora any an-toerana. “Efa miandahy miambavy mihitsy ankehitriny ny fandraisana zava-mahadomelina nohon’ny fisian’ireo mpamatsy ireo, ary efa ela tokoa  no re sisosio ny fisian’izy ireo ary tena tsy mifidy vatsiana fa na tanora vao herotrerony aza dia efa tafaroboka sy  vatsiany.” Hoy i Dada Paoly raim-pianakaviana.

Manao ny ezaka rehetra hatrany kosa anefa ny avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena mba hanenana  sy hamongorana  itony asa fanimbana ny olom-pirenena itony satria ankehitriny dia efa maro no mandray zava-mahadomelina ary tsy mifidy salan-taona intsony fa tratrany avokoa na ny ankizy izany na ny tanora na ireo efa nahazoazo taona.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire