Egypte : Tafaverina ao an-toerana ny sarivongan’i Ramsès II, izay nisy nangalatra efa telopolo taona izay
Tafaverina amin’ny toerana niaviany ny sarivongan’i Ramsès II. Noraisin’i Egypte an-tanandroa izany sary maneho ny lohan’i Ramsès II, izay efa nisy hatramin’ny faha 3400 taona izany. Nisy nangalatra sy namoaka antsokosoko tao amin’ity firenena ity, efa ho 30 taona izao, izany sarivongana izany, raha ny nambaran’ny ministera miahy ny vakoka ao an-toerana izany. Napetraka ao amin’ny trano fitahirizam-bakoka ao Caire, izay ankehitriny, saingy tsy naranty. Mbola hisy ny fikojana ho atao izany, raha ny fanazavana. Ny faraparan’ny taona 1980 tany ho any no voalaza fa nisy nangalatra tao amin’ny tempolin’i Ramsès II, tao amin’ny tanàna tranainy tao Abydos, any atsimon’i Egypte izy ity. Ireo manam-pahefana ejiptianina kosa no nahatsikaritra izany namidy nandritra ny ranty tao Londres ny taona 2013. Nifindra firenena maro ity vakoka iray ity vao tafaverina tao Egypte izao.
