Antananarivo: Fifandaminana eo anivon’ireo mpivarotra amoron-dalana sy ny ao amin’ny CUA
Nifanaraka tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ireo mpivarotra amoron-dalana eo anoloan’ny lapan’ny tanàna, ny institut hygiène sy manoloana ny lycée Jean Joseph Rabearivelo, fa hatsahatra ny fivarotan’izy ireo amin’ireo toerana ireo manomboka izao ho fanatsarana ny tanàna. Mba hanohizan’izy ireo ny fitadiavany andavanandro dia hanana toerana ao amin’ny tsena vaovao isan-kerinandro eny amin’ny araben’Andrianampoinimerina etsy Andohan’Analakely izy ireo, isaky ny zoma sy sabotsy ary alahady.
