ActualitésTatitra

Etats-Unis: Niakatra avokoa ny harenan’ireo olona 10 manan-karena indrindra eran-tany tao anatin’ny covid-19

Raha nilatsaka tao anaty fahantrana ny 99% amin’ny olona eran-tany dia tafiditra ao anatin’ireo tsy voakasik’izany, ary nampitombo izany mihitsy aza ireo olona 10 manan-karena indrindra eran-tany.Elon Musk, talen’ny Tesla, Jeff Bezos (Amazon), Bernard Arnaud (LVMH), Bill Gates (Microsoft), Mark Zuckerberg (Meta/Facebook), Waren Buffett (Berkshire Hathaway) ary Larry Ellison (Oracle) no tafiditra ao amin’io lisitra io. Tafiakatra 13 800 000 tapitrisa dollars ny volan’ireo olona raha ny tatitra ny Forbes raha 5 000 000 tapitrisa dollars izany teo aloha.Midangana, hoy ny fikambanana iray miady amin’ny fahantrana, ny elanelana misy eo amin’ny tsy fitoviana ara-toekarena.

Laisser un commentaire