ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Nasiam-panavaozana ny toerana fametrahana fiara ao amin’ny kaominina

Nasiam-panavaozana ny toerana fametrahana fiarana (parking) ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Ny fiandohan’ny herinandro teo no nametraka lamina vaovao ho fanavaozana sy fanamboarana izany ny tomponandraikitra tao an-toerana.

“Anisany nitondrana fanavaozana sy fanamboarana ny « Parking » ho an’ny fiara sy moto eto anivon’ny Biraon’ny Kaominina Ankadikely-Ilafy, efa vita tanteraka ny asa fandrakofana tara ny toerana ary efa ampiasaina. Izany dia ho fanomezana endrika tsara sy ho fanajana mba ho mendrika andraisana ny vahoakan’Ankadikely-Ilafy izay manan-draharaha ety anivon’ny Kaominina » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Tena tsara ny asa vitan’ireo tomponandraikitra. Hisaorana izy ireo amin’ny ezaka ho an’ny fandaminana sy fanatsarana ny tanàna. Tena ilaina ny tahaka izao, tsy voatery ny firotsahana an-tsehatra sy ny fanaovana asa eny ifotony vao azo atao hoe miasa, fa misy ny fandaminana sy fanatsarana azo atao amin’ny sehatra rehetra ka samy mahazo ny fampivoarana tandrify azy ny tsirairay” hoy i Andy, mpikirakira taratasy ao amin’ny kaominina.

Misy moa ireo tomponandraikitra mandrindra sy mitantana izany toerana izany. Manampy ireo polisy kaominaly izy ireo. Marihina moa fa 500ariary ho an’ny fiara no sarany aloha ho an’ny parking, 200ariary kosa ny an’ireo tongo-droa.

Laisser un commentaire