Dépêches

Nisy lozam-pifamohivohizana mahatsiravina indray RN2

02 Oktobra, Teratany vahiny iray no maty tsy tra-drano ny faran’ny herinandro lasa teo. Fiara lehibe iray: kamiao “semi-remorque” sy  fiara godiaran-droa no nifandona tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny. 20 km miala ny kaominina Andasibe. Olona manao “randonnée” niala teto andrenivohitra hiazo an’i Toamasina; izay nikasa hanao fitsangatsanganana ampilaminana saingy nitera-doza. Araka ny voalaza dia avy amin’ilay fiara lehibe no nihavian’ny loza ary efa voatazona amponja izy amin’izao fotoana izao. Ilay fiarany kosa nampidirina “fourrière” miandry ny tohiny ny raharaha. Marihina fa efa misahana io raharaha io ny avy ao amin’ny “brigade routière” ‘ny Moramanga.

Laisser un commentaire