Vietnam: Tafakatra hatramin’ny 44°C ny hafanana
Tafakatra amin’ny taha ambony indrindra ny hafanana ao Vietnam, ny volana aprily teo, araka ny tatitra navoakan’ny sampana misahana ny toetr’andro any an-toerana. Etsy ankilany, anisan’ny nahafaty olona maro tao amin’ny faritr’i Azia atsimo sy atsimo atsinanana ny hafanana, indrindra tao anatin’ny herinandro teo izao. Nihitatra hatrao Inde sy Philippines izany hafanana izany, ity farany izay nitondra hatramin’ny fikatonana sy fampitsaharana ny fampianarana tamin’ireo firenena ireo. Araka ny nambaran’ireo tomponandraikitra hatrany, in-telo no nipoahan’ny onjan’hafanana tao Vietnam. Izany moa dia vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro, noho ny hetsika ataon’ny olombelona. Ho an’ny volana aprily teo, tafakatra hatramin’ny 44°C ny hafanana tao an-toerana.
