France : Musée d’Orsay, tranombakoka nasionaly ao amin’ny « Rive Gauche »
Tranombako-pirenena notokanana tamin’ny taona 1986 ny « Musée d’Orsay ». Ao amin’ny boriborintany fahafito ao Paris, manamorona ny sisiny havian’i Seine no misy azy. Manatrika ny promenade Édouard-Glissant kosa izy ary miorana eo amin’ny Gare d’Orsay fahiny izay nahorin’i Victor Laloux ny taona 1898 hatramin’ny 1900.
Ny filohan’ny Repoblika Valéry Giscard d’Estaing no nanapa-kevitra ny fanovana izany ho tranombakoka. Maro ny zava-kanto hita ao amin’ny toerana io, sary hoso-doko, sary sokitra, zavakanto haingon-trano, sary, maritrano… Anisany tena misongadina ao amin’izany ny « art occidental » ny 1848 hatramin’ny 1914.
Io tranombakoka ao Paris io no manana sary hosodoko « impressionniste » sy « postimpressionniste » goavana indrindra eran-tany izay manaikaiky ny 1 100 isa amin’ireo 3 650 ao aminy.
