Comores : Nanavao ny fiaraha-miasany ny FFC sy ny SAFF
Nanavao ny fiaraha-miasany indray ny FFC (Fédération de Football des Comores) sy ny SAFF (Saudi Arabian Football Federation) ny faran’ny herinandro teo. Tontosa tamin’io andro io ihany ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa izay nataon’ny filohan’ny federasiona roa dia i Saïd Ali Saïd Athouman ho an’i Comores ary Yasser al-Misehal ho an’i Arabie Saoudite.
Raha tsiahivina dia efa nanomboka ny volana novambra 2021 no nisian’ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta. Nahafahana nanohana ny Cœlacanthes nandritra ny CAN 2021 ary nanampy tamin’ny fampiroboroboana ny baolina kitra vehivavy ho an’ny andaniny sy ny ankilany. Raha ny fanazavana kosa dia maniry ny hanamafy ny ezaka iarahana ireo federasiona roa ireo.
