Fitsarana: Havoaka ampahibe maso ny fandaniam-bola rehetra eto amin’ny Firenena.
Dépêche 06 décembre, 13h, Ny talata 13 desambra izao no hanatanterahan’ny Fitsarana momba ny Kaonty ny tatitra ho an’ny daholo be na ny “rapport public” etsy amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy. Manomboka amin’ny 10ora maraina izany ka ny olona rehetra tsy ankanavaka no entanina hanatrika izany. Zava-dehibe ny fahafantarana ny mahakasika ireo fandaniana sy ny mety mbola vola afaka haodina ho an’ny fampandrosoana manaraka indray. Izany ihany koa dia mba ho fanatanterahana ny teny filamatry ny Andrim-panjakana mpanaramaso ny fitantanam-bola mùanao hoe “fitantanam-bola mangarahara, antoky ny fampandrosoana”.
