Dépêches

Firotsahana an-tsitra-po : Miisa 23 ireo mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny Peace Corps tonga

Dépêche 17 février, 12h, Mpilatsaka an-tsitrapo miisa 23 avy amin’ny Peace Corps no tonga eto Madagasikara ka hisy ny fampiofanana ara-kolontsaina sy fampiofanana mahakasika ny teny ampiasaina mandritra ny 12 herinandro omena azy ireo. Mahakasika ny fahasalamana, indrindra ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza ary ny fahadiovana sy ny fidiovana no tena hiseharan’izy ireo amin’izany eny anivon’ny tontolo ambany vohitra. Hiampy 35 izy ireo amin’ny volana septambra any ary hisehatra mahakasika ny fambolena indray amin’izay fotoana izay.

Laisser un commentaire