Maurice : Ny nosy no hampiantrano ny « Golf & Gourmet Trophy » andiany fahavalo
Hetsika tontosaina isan-taona mandritra ny herinandron’ny tsiro (semaine du goût) ny « Golf & Gourmet Trophy » izay nantsoina hoe « Tee & Toque Trophy » fahiny. Fifaninanana mampivondrona ny fitiavana ny fantanjahantena « Golf » sy ny sakafo izy io.
Ho tontosaina ao amin’ny nosy Maurice ny andiany fahavalo amin’io fifaninanana io ny 10 hatramin’ny 20 martsa izao. Ny Agnece Swing no mikarakara azy eo ambany fiahiana « chef » frantsay roa manana ny lazany Jean-Pierre Vigato sy Christophe Chabanel.
Toerana miavaka ao amin’ny nosy Maurice kosa no hifandimby handray ny fiodinana efatra amin’io fifaninanana io : ny nosy Cerfs Golf Club, Tamarina sy Anahita.
