Kolontsaina : Nitsangana ny ivontoeram-pikirakirana sarimihetsika DL Studio
Fiaraha miasan’i Kevin Deris sy i Ernest Toto Deris no nahatsanganana ity ivon-toerana ity. Nomena ny anarana hoe DL Studio izany ary maro ny tolotra mahakasika ny fikirakirana « vidéo » ho hita ao amin’izany. Vao 27 taona monja i Kevin Deris dia efa mandraharaha sahady ao anatin’izany tontolo izany. Toerana ari-fomba sy ari-fenitra ity nahorina ity izay mirefy 714m². Notokanana teo ambany fiahian’ny Talen’ny fandraharahana ao anatin’ny GEM izany toerana izany.
« Nofy no tanteraka ho ahy tamin’ny fahavitanity DL Studio ity. Tanjonay ny hamokatra zavatra misy teknika sy fomba fanao hafa ary mifanaraka amin’ny toetr’andro sy ny filàn’ny mpisehatra. Maniry ny handray mpanjifa Malagasy sy vahiny maro izahay hahafahanay mampiakatra sy mampiseho fa mahavita zavatra na aty amin’ny firenena andalam-pandrosoana aza », hoy i Kevin Deris.
« Efa niara-niasa tamin’ny Kevin Deris foana tamin’ny fanatontosana ny horonantsary ary afa-po foana. Mahay izy ary manana talenta tsy hay hoe avy aiza. Mbola tsy nisy fotoana hoe vokatra avy ato dia ratsy raha ny anay manokana. Vao mainka moa misy izao toerana izao; tsy mahamenatra ny hiteny hoe tsy hiala ato foana aloha », hoy i Black Nadia, mpanakanto.
Mbola maro ny sehatra hahafahana mandraharaha ary mbola maro ihany koa ny hevitra afaka entina. Mila tiana ilay zavatra hatao ary hilofosana hatrany mba hahafahana mahazo vokatra tsara toy izao. Ao anatin’izany anefa dia tsara hatrany ny mampitombo ny fahaizana. Izany no hafatra tsara ho raisina amin’ny toe-javatra tahaka izao.
Miora Raharisolo
