Niravona ny disadisa teo amin’ny foko Bara sy ny Antandroy
Nanodidina ny telo taona izao no nisy ny tsy fifankahazoana eo amin’ny foko Bara sy Antandroy. Eo amin’ny 30 eo ho eo ny maty ary nisy mpitandro filaminana tao anatin’izany, omby 300 no very na ny avy any amin’ny Bara na ny avy any amin’ny Antandroy ary an-jatony ny trano may sy rava vokatry ny adim-poko teo amin’ny roa tonta.
Nidina teny an-toerana ny komity ny fampihavanam-pirenena mba handravona ny disadisa. « Anton-dianay ny fampihavanana ny foko Bara sy ny foko Antandroy izay nisy fifandonana tao anaty ny telo taona teo ho eo » hoy ny filohan’ny CFM, Maka Alphonse. Tonga saina ihany ny foko roa noho izany nataon’ny CFM izany fa nanao ny fombafomba hanehoana ny fihavanana indray ary namono omby roa. Mandry fahalemana ny ao amin’ny kaominina Marotsiraka ankehitriny satrai tsy nisy intsony ny adim-poko.
Zava-dehibe tokoa ny fihavanana sy ny fandriam-pahalemana mba hahafahan’ny vahoaka miaina am-piadanana. Toy izany ihany koa ny fihavanana eo amin’ny mpitondra sy ny antoko mpanohitra izay nanjary nampisara-bazana ny vahoaka noho ny firehana tsy mitovy. Izany no tena andrandrain’ny Malagasy mba ho iray ihany isika ary afaka mampandroso ny firenena miaraka.
Nicole Rafalimananjara
