SocialTsidika

Ho ampitomboina ny famokarana herinaratra eto Madagasikara.

Mbola sahirana amin’ny famokarana herinaratra mahafà-po, ny orinasa Jirama. Tsy maharaka ny filan’ny mpanjifa ny vokatra azo ka miiteraka ny fahatapahan-jiro lavareny. Etsy ankilany, miha-mitombo hatran’ny olona mila izany. Mbola mivelona amin’ny angovo hoentin’ny masoandro avokoa ny toerana maro any ambanivohitra. Misy amin’izy ireo aza tsy manana fahafahana ho amin’izany ka mitohy mihaina anaty fahamaizinana. Saika ny toerana lavitra rehetra mihitsy no tena mbola sarotra hidirana sy hazaohana izany. Miteraka voka-dratsy maro ny haizina, raha tsy hilaza fotsiny ny tsy fandriam-pahalemana isika. Samy manana faniriana hiaina ao anaty fahazavana ihany koa ny rehetra. Manana ny fetrany kosa anefa ny fampiasana angovo avy amin’ny masoandro ka rehefa tapitra izany dia miverina amin’ny maizina hatrany ny mpampiasa azy ireny. Vahaolana naroson’ny fitondram-panjakana araka izany ny fanitarana sy fampitomboina ny herinaratra eto Madagasikara. Tanjona ny hanànan’ny Malagasy herinaratra maharitra sy mateza. Apetraka araka izany ny lamina vaovao, ary hatrany amin’ny taona 2023 ny fanatanterahana izany. Hampiakarina hatrany amin’ny 800W ny jiro, amiin’ny alalan’ireo karazana angovo azo havaozina araka izany ny fanatanterahana izany.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire