Antenaina mba hilamina ny fizarana vatsim-pianarana eny amin’ny ambaratonga ambony
Anisan’ireo olana sedrain’ny mpianatra eny amin’ny anjery manontolo ny mbola maha tsizarizary ireo foto-drafitr’asa entina ampihanarana azy ireo. Eo ihany koa ny resaka fahataran’ny fandoavana ny vatsim-pianarana ho an’ireo izay misitraka izany.
Raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ireo sampam-pianarana misy rehetra eny anivon’ny anjerimanontolo eny Ambohintsaina dia efa eo ampamaranana ny taom-pianarana 2018-2019 avokoa izy ireo.Ao ireo efa miandry ny valin’ny fanadinana, ary ao kosa ireo vao avy namita izany. Sahala amin’izany ihany koa ny toee-java-misy eo anivon’ ireo anjerimanontolo any amin’ny faritra hafa manerana ny nosy raha araky ny voalazan’i Sonia mpianatra ara-toe-karena taona faha-2 ao amin’ny Oniversite an’Antsiranana, sy i Toandra mpianatra ao amin’ny sampana siansa ao amin’ny Onivesiten’ny Toliara.
Namoaka fanambarana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy izay miandraikitra ny famoahana ny vatsim-pianarana eo anivon’ny Oniveriste an’Antsiranana, Toliara ary Mahajanga fa ho hezahina avoaka alohan’ny tena hifaranan’ny taom-pianarana ny famoahana ireo vatsim-pianarana 8 sy 9 volana farany izay mbola tsy nositrahin’ireto mpianatra.Tsy niandry ela tokoa, fa tao ahorian’izay fanambarana izay dia namoka ny tety andro fizarana ny vatsim-pianarana ry zareo teo anivon’ny Oniversite an’Antsiranana,Toliara ary Mahajanga. « Raha araky ny tetiandro napetraka dia hanomboka ny alatsinainy 09 aogositra izao ny fizarana izany ary aharitra folo andro.Eny anivon’ny biraon’ny Positra Malagasy kosa no hisitrahana izany raha ny lamina vaoava izay efa napetraka manerana ny Oniversite rehetra moban’ny Projet de digitalisation », hoy ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny Oniversite an’i Mahajanga. Ho an’ireo Oniversiten’ny faritra sisa izay tsy voatondro dia miandry ny lamina sy ny baiko avy any ambony ny famoahana ny fanambarana sy ny tety andro hizarana izany vatsim-pianarana izany.
Velon-taraina anefa amin’izao fotoana ireo mpianatra tsy mbola voakasiky ny fanambarana fa « efa manomboka mianjady aminy ny fahasahirana,efa miditra trosa izy ireo ankohatr’ireo izay efa manao asa an-tselika entina anampiana izay vatsy kely sisa eo ampela-tanana » hoy i Tafita tovolahy 23 taona faha-3 ao amin’ny sampan fitantanana ao amin’ny Oniversite an’Ankatso.
Mampanontany tena ny maro ny hoe « fa nahoana no tara foana ny famoahana ny vatsim-pianaran’ireo mpianatra ? » « Fa angaha tsy efa voafaritra mialoha ny teti-bola entina andohavana izany ? ». Miahiahy amin’ ny mety fisihan’ny fanodikodinam-bola eny anivon’ny Oniversitem-panjakana ny vahoaka madinika amin’izao fotoana.
Fanja Rakotoarisoa
