Nahavita niaritra mandra-maraina mihitsy ireo mpianatra
Nahitana olana mihitsy ity vatsim-pianarana ity raha dinihana ny tamin’ity taom-pianarana ity na teo amin’ny fitakiana na teo amin’ny fitsinjarana. Hita ihany koa fa tsy ampy ny fandaminana amin’ny fitsinjarana izany na dia efa teo aza ilay antsoina hoe “Digitalisation”. Nimenomenona ny mpianatra indrindra ny tao amin’ny Fakiolten’ny Teny aman-tsoratra ary ny Siantsa Maha olona noho ny tsy fahaiza-mandamina ny fotoana fizarana. Betsaka ny mpianatra kanefa tsy nisy ny lamina hany ka saika raikitra ny korotana teo ihany koa ny faelan’ny fizarana izany. Nanomboka tamin’ny 04 ora marainan’ny 22 martsa mantsy no nanomboka nilahatra tao amin’ny Gymnase Ankatso izy ireo raha tamin’ny 09 Ora vao nanomboka ny fizarana. Filaharam-be tokoa no nisy satria Fakiolte anakiroa no indray nizarana ny vatsim-pianarana. Tsy ampy ny iray andro araka izany na dia efa niezaka niandry tamin’ny 09 Ora alina aza ny mpianatra. Nandany ny aliny tao amin’ny trano nizarana ny vatsim-pianarana aza ireo matahotra ny hody amin’ny alina noho ny tsy fandriam-pahalemana. Niharitra ny hatsiaka iny alina iny no mbola tsy nahavoaray ny anjarany koa ka miandry ny apitso indray. Teo kosa ny niezaka ny hody na dia tsy nahazo vola aza. Izao no porofo fa tena zava-dehibe ho an’ny mpianatra tokoa ity vatsim-pianarana ity, koa aoka tsy ahitana olana intsony indrindra amin’izao efa fidirana amin’ny haitao izao. Anatra amin’ny tohin’ny fizarana ho an’ireo Fakiolte hafa mbola tsy naharay ihany koa izany ka tsy tokony haverina intsony.
Nicole Rafalimananjara
