Kaominina Antananarivo Renivohitra : Ahiana ny hisian’ny fitohanana
14 Jona, 09h00. Nampandre ny Kaominina Antananarivo Renivohitra fa manoloana ny hetsika izay hataon’ny Orinasa SSMEC na « Sociétè Malagasy Mutualiste d’Epargne et Crédit » androany 14 jona sy rahampitso 15 jona dia tsy hisy lalana tapaka na ny fanaovana lalan-jotra fa mety hisy kosa ny fitohanana. Misokatra avokoa ny lalana noho izany, marihana fa miainga eny Ankadivato ny hetsika izay mahazo an’Ambanidia sy Ankadimbahoaka iny.
