Loza voajanahary: Nahazo fampilazana loza manambana ny kaominina maro ato anatin’ny Faritra Analamanga.
Dépêche 22 mars, 14h, Nahitana fiakarany ny Reniraon’ny Sisaony tao anatin’ny 24ora. Vinavinaina mbola hikatra ihany izany ho an’ny ora manaraka. Efa mahazo fampialazana loza manambana ireo kaominina miisa 18 izay lalovan’ity renirano ity. Ireto avy izany Kaominina izany: Tsiafahy, Androhibe Antsahandita, Bongatsara, Antanetikely, Ambohijoky, Alatsinainy Ambazaha, Ampahirotsy, Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, Ampitatafika, Ambavahaditokana, Fenoarivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Fiadanana, Ampangabe. Araka izany dia efa tokony hanaraka ny lamina hapetraky ny tompon’andarikitra ny tsirairay hialana amin’ny loza mety hitranga.
