Dépêches

RN44 : Olona telo namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana

29 Aogositra, 14h00 Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao amin’ny lalam-pirenena faha efatra amby efapolo, tao amin’ny fokontany Ambohidava Manakambahiny Andrefana tamin’ny asabotsy. Olona telo no namoy ny ainy vokatr’izany, maro no naratra mafy. Kubota nitondra mpandeha hianatsimo ka nofaon’ny fiara lehibe ho an’ny mpanamboatra ny  lalam-pirenena faha 44 avy ao aoriana no fantatra fa anton’ny loza.

Laisser un commentaire