Italie : Efa maherin’ny efapolo taona nihirana tamin’ny Opéra i Luciano Pavarotti
Teraka ny 12 oktobra 1935 tany Modène, Italie i Luciano Pavarotti, ary maty ny 6 septambra 2007. « Tenor » izy, ary anisan’ireo nalaza tamin’ny fihirana tamin’ny Opéra, toa andry Enrico Caruso. Ny 26 aprily 1961 izy no nanomboka niditra tamin’ny asany tamin’ny Opéra.
Nameno sehatra tao anatin’ny mozika klasika izy, « bel canto », ny « Verdi » sy ny « Puccini » ary efa niara-niasa tamin’ireo mpanakanto malaza any ivelany toa andry Bryan Adams, Bon Jovi, Eric Clapton, ry Mariah Carey sy Spice Girls sy ry Elto John tamin’ilay fampisehoana ho an’ny olombelona « Pavarotti and Friends ». Maro dia maro ny sedra nolalovany tamin’ny fiainany kanefa noho ny fahaizany sy ny fananany feo miavaka dia niseho sehatra maro tao Eoropa izy, anisan’ny nanosika azy tao anatin’izany ny chef d’orchestre, Corlos Kleiber. Anisan’ny tia manampy ny hafa indrindra amin’ny fanaosavana asa soa fanampiana ireo zaza kamboty sy ny sahirana izy
