ActualitésTsidika

Vola sandoka : Saron’ny zandary ireo mpanao ratsy avy etsy Ambanitsena

Voasambotra iro mpanao vola sandoka noho ny fampitam-baovaon’ny olompirenena tsotra. Vehivavy telo sy lehilahy roa izy ireo no ao anatin’izany tambazotra izany.

Noho ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny olon-tsotra eny an-toerana no nahatrarana azy ireo. Lehilahy roa sy vehivavy telo no ao anatin’izany tamazotra izany ka notanana am-ponja vonjimaika aloha izy ireo. Vola sandoka mitentina 860 000ar amin’ny lelavola 20 000ar no tratra nandritra izany. Ny avy tao amin’ny Zandarimariam-pirenena Imerina Centrale sy Zana-tobim-paritra Carion no nahasarona izany heloka be vava nataon’izy ireo izany.

« Misy olona tsy vonona ny hisasatra mihitsy fa te ahazo vola amin’ny halatra sy ny soloky ka tsar any manamarika fa figadrana manarapaha faty no sazy omena ireny mpanao vola sandoka ireny izay tsy hitsitsian’ny avy amin’ny mpitandro filaminana mihitsy fa samy mahazo izany avokoa izay tratra rehetra » hoy ny avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena Imerina Centrale. « Heloka foana ny fanaovana vola sandoka ka maniry izahay mba tena hanao ny asany ny mpahay lalàna fa matetika ireny olona ireny voatsara dia tokony higadra any mba ho fay ny hafa kanefa mbola hita eny rehetra eny ihany izy ireo ka lasa zary tsy matahotra intsony ireo mpanao ratsy » hoy i Manda, mponina ao Ambanitsena.

Voaheloka am-ponja mandra-pahafatiny sy hanao asa an-terivozona ny olona rehetra manao itony vola sandoka itony. Mbola maro ihany anefa ireo tsy matahotra ka minia manao izany asa ratsy izany ka eo indrindra no ilaina fiaraha-miasa avy amin’ny tsirairay, ahafahana mamongotra izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire