ActualitésTatitra

Singapour : Vehivavy iray no hohelohina ho faty ny zoma izao

Voalohany tao anaty ny 20 taona no hisy vehivavy hohelohina ho faty indray ao Singapour. Vehivavy iray antsoina hoe Saridewi Djamani, 45 taona io voaheloka ho faty io. Raha tsiahivina dia nampidirina am-ponja ny taona 2018 noho ny fanondranana zava-mahadomelina ny tenany. Lehilahy iray hafa 56 taona no niaraka voaloheloka taminy tao anatin’izany ary efa nohelohina ho faty omaly tao amin’ny fonja Changi.

Ny fanamelohana an’i Saridewi Djamani kosa dia hotontosaina ny zoma izao. Marihana fa hentitra ny fampiharan-dalàna ao Singapour ar isany henjana indrindra eran-tany ny lalàny momba ny zava-mahadomelina. Ny heloka bevava mifandray amin’ny vono olona na fakàna an-keriny ary ny fanondranana « cannabis » mihoatra ny 500 g na « héroïne » mihoatra ny 15g ao an-toerana dia mety hanamelohana ho faty.

Laisser un commentaire