ActualitésTsidika

Hanao ahoana ny hoavin’ny tanora Malagasy ?

Maro ireo sary niparitaka tao amin’ny tambazotran-tserasera izay nanaitra ny sain’ny maro ny amin’ny hoavin’ny tanora Malagasy.

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanatontoloana sy fandrosoana IMadagasikara ankehitriny. Voakasika izany indrindra ireo tanora Malagasy izay tena misehatra feno amin’ny fisotroana, ny fidorohana, ny famonjena toeram-pandihizana sy ireo karazana hetsika mitondra fahafinaretana ho an’izy ireo. Arak’izany, ireo izay tsy manao toy ny fanaon’ny ankizy rehetra dia voasokajy ho toy ny tsy maharaka na nilaozan-ny toetr’andro.

« Mampalahelo mihitsy ny fiainana ankehitriny. Efa tena mihoa-pefy ny tanora, tsy misy mihaino ny ray aman-dreny intsony. Izy ireo indray no mibaiko sy mandrahona. Nivadika tanteraka ny rasa, lasa matahotra ny zanany ny ray aman-dreny sao handositra na hamono tena mihitsy aza izy ireo »hoy ny filazan’i Bebe Marthe, rehefa mahita sy mandinika ny fiainan’ny tanora ankehitriny ny tenany. Raha ny fanehoan-kevitrin’ny tompon’andraikitra iray amin’ny akany fitaizana tanora kosa indray : « Tsara raha fidiana ny horonantsary sy karazana mozika alefa amin’ny haino aman-jery. Tsy misy sivana mihitsy izany ka samy mandefa izay tiany alefa. Misy amin’izy ireny no tena mitarika ny tanora hanaonao foana, ohatra amin’izany ny fisian’ny tononkira sasany izay manosika ny tanora hisotro, hirevy sy hanao fiainana. Miparitaka eraky Madagasikara ireny karazan-kira ireny kanefa tsy misy ny sakana ataon’ny fanjakana amin’ny fampiatoana ny fanapariahana an’izy ireny ». »Tia andrakandrana ny tanora, raha vao maheno na mahita zava-baovao tsy mbola nataony avy hatrany dia roboka. Te hahafantatra ny fehiny hoentin’ny zavatra iray na koa hoe tarihin’ny namany tsotr’izao fotsiny dia miditra amin’ny tsy tokony idirana. Tafajoboka dia tavela any anaty revy sy ditra »,hoy Fetra, tanora.

Tomponandraikitra amin’ny fitaizana ny tanora ny olom-pirenena tsirairay. Mila mandray ny anjara tandrify azy arak’izany ny mpisehatra isan-tsokajiny amin’izany : manomboka amin’ny ray aman-dreny, ao an-trano no ivon-toerana hiaingan’ny ankizy, tokony mitady ny hevitra mahomby ny ray aman-dreny tsirairay mba hisian’ny fifampiresahana sy fifampitokisana eoamin’ny roa tonta hatrany. Manarak’izany, ny eny anivon’ny toeram-pianarana, izay mitana ny laharana faharoa amin’izany fampitana ny fahaiza-manao sy fitondran-tena mendrika izany. Mila hentitra ny tomponandraikitra rehetra amin’ny fitaizana. Ankoar’izay ireo ministera isan-tsokajiny miaraka amin’ny ireo haino aman-jery samihafa. Eny fa na ny mpinamana aza, tokony mifampitaona amin’ny tsara. Mila tanora mendrika Madagasikara, sarotra nefa ny ahatongavana amin’izany tanjona izany raha tsy miara-mientana amin’ny fitaizana azy ireo ny tsirairay avy.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire