CENI : Ampiasaina daholo ny teknolojia efa afaka ampiasaina ho filaminan’ny fifidianana.
Rindrankajy vaovao roa sy « tablettes » miisa 5 000 no entina miasa amin’ny fiomanana amin’ny fifidianana 2023.
Hampivoarana ny kalitaon’ny fifidianana eto Madagasikara ary hanamorana ny asa no antony iray hampiasa ny teknolojia mandritra ity fifidianana ity. Efa fanamby moa ny hampiasana ny tknolojia amin’ny asa aman-draharaha rehetra eto antoerana ka izany no hanaovana ny fifidianana hanaraka ny « digitalization ». Rindrankajy (logiciels) miisa roa no ho ampiasaina amin’ny fandraisana ny anaran’ireo mpifidy ary “tablettes” maro no ho zaraina amin’ireo mpanisa mpifidy hahafahana mampiasa ireto rindra-kajy ireto.
« Ny fototry ny fomba fiasa hatrizay no mbola notazomina fa ny fitaovana sy ny fomba fampiasa ireo logiciels ireo no nahitana fiovana. Ireto logiciels noforonina ireto izao dia miaro antsika amin’ny mba tsy hisian’ny doublons », hoy i Alberto Ranaivodimby, tompon’andraikitry ny rafitra informatika sy teknolojia vaovao eo anivon’ny CENI. « Misy zava-baovao toy izao foana isan-taona kanefa tsy hita ilay fahombiazana fa ohatran’ny misy olana e,ny foana ihany, asa amin’ity raha tena tsy hisy tokoa io doublmons io satria io foana no miteraka korontana rehefa amin’ny fifidianana », hoy i Nirina, mpanara-baovao.
Efa tsy mifampatoky intsony na ny mpitondra sy ny vahoaka, na ny vahoaka sy ireo rafi-panjakana ka mahatonga ny olona tsy mazoto hanefa ny adidiny amin’ny fifidianana. Tompon’andraikitra ihany koa anefa ny tsirairay satria tsy ny vola sy ny fitaovana zaraina no hifidianana olona iray fa ny hevitra harosony. Izany anefa no ilaina fanarenana mba hampiverina ny fifampitokisana eo amin’ny tsirairay.
Miora Raharisolo
