ActualitésTsidika

Masindray : Namboarina ny lalana

Mizotra ny fanamboaran-dalana eny Masindray amin’izao fotoana izao, izay sahanin’ny faritra Analamanga. Efa ela no nitaraina ny vahoaka nanoloana ny faharatsian’ity lalana ity, ary izao vao natomboka ny tetik’asa.

« Kaominina ambanivohitra i Masindray, ary tena mankasitraka ny tompon’anadraikitra satria na dia toerana lavitra andriana aza dia tsy natao ambanin-javatra amin’ny resaka fampandrosoana » hoy i Mamivola, mponina any an-toerana. « Tsy mifidy na lavitra andriana ny fampandrosoana, i Madagasikara mandroso no tanjona ary ny tontolo ambanivohitra tahaka izao mihitsy aza no tena mila fampandrosoana voalohany indrindra » hoy ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery.

« Raha ny lalana no ratsy dia tsy ho tonga ny fandrosoana ao anatin’ny toerana iray ka io no tena tokony ho laharam-pahamahana ataon’ny fitondrana » hoy i Jerry, mpahay toe-karena. Zava-dehibe ary tena mahavelom-bolo ny mponina any Masindray izao fotodrafitr’asa izao satria tena nampijaly ny mponina tokoa ity lalana ity. Azo antoka tokoa ny fandrosoana raha tsara ny lalana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire