Sidina : Miato ny sidina mihazo an’i Comores
Miato ny sidina mihazo an’i Comores, raha ny fampitam-baovao navoakan’ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar. Voalaza ao anatin’izany fa ny fahazoan-dalana hisidina ao Moroni dia nofoanan’ireo tomponandraikitra.
« An-dalam-pikarohana ny vahaolana mifandraika amin’izany izahay. Izany dia ho fitsinjovana ireo mpandeha izay efa nividy tapakila araka ny fampitam-baovao hatrany » hoy ny mpikarakara. « Novinavinaina ny hisokatra ity volana jolay ity ny sidina mankany amin’ity nosy rahavavy ity. Izay no nahatonga ny kompaniam-pitaterana efa nanomboka nivarotra tapakila ho an’ny zotra mampitohy an’Antananarivo sy Moroni » hoy ny avy ao amin’ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar.
Hirariana hivaha haingana ny olana ahafahan’ny olona makany Comores.
Nicole Rafalimananjara
