Faritra Bongolava : Mivarotra fanafody lany daty ireo mpivarotra ao Kiranomena
Noho ny fitsidihana izay nataon’ny Ministeran’ny Varotra sy ny fanjifana tany amin’ny Faritra Bongolava dia nisy ireo fanafody nogiazana fa lany daty. Tao amin’ny Distrika Fenoarivobe, Kaominina Ambany Vohitra Kiranomena no nahatrarana izany tamin’ireo mpivarotra sasany. Maro karazany ireo fanafody nalaina ireo ary nampitandremana ireo mpivarotra.
“Mamono olona ny fivarotana fanafody lany daty. Ny fanafody anefa raha ny tokony ho izy dia famelomana kanefa kosa raha lany daty izy ireny dia lasa mivadika poizina ka tsara raha fanafody azo antoka no varotina amin’ny mpanjifa mba hialana amin’ny aretina hafa indray avy eo”, hoy ny mpitsabo iray avy ao Fenoarivobe.
“Vao naheno fotsiny izahay fa misy izany seho izany aty an-toerana dia tsy nisalasala izahay nidina ifotony nijery sy nanamarina ny vaovao. Misy antibiotiques, vitamines, ary fanafody karazany maro no hita fa lany daty tamin’izany. Nogiazana avy hatrany izany ary nomena fampitandremana kosa ireo mpivarotra izay minia manao izany varotra hosoka mety mahafaty olona izany”, hoy ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana ao Bongolava.
Manana anjara asa tokoa ny rafi-panjakana isan-tsokajiny hiaro ny vahoaka sy ny momba azy rehetra. Ny varotra hosoka kosa dia voararan’ny lalàna. Etsy ankilany anefa dia tsy ny fanafody ihany no lany daty hita nandritra izany fa teo ihany koa ireo sakafo sy biscuits isan-karazany. Tompon’andraikitra ny tsirairay amin’ny tranga toy izao ka tokony hilaza izay hitany hahafahana mandray fepetra haingana.
Miora Raharisolo
