TatitraTsidika

Corée du Sud : Mankalaza ny faha-2565 taona an’i Bouddha anio 19 may 2021

Anio faha-19 may, andro faha-8 amin’ny volana faha-4 raha araka ny « calendrier lunaire », 2565 taona androany i Bouddha. Mankalaza ity fetin’ny fahaterahan’ny mpitarika azy ireo ity avokoa ireo “Bouddhistes” manerana ny firenena any amin’ireny monastera ireny. Vao maika nanamarika ny fankalazana tamin’ity taona ity ny fanarahana ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra amin’ny covid-19, eo koa ny famerana ny isan’ireo mpandray anjara amin’izany. Nandritra ny kabary fanokafana, nitory ny fahendrena, fahasoavana ary ny fampianaran’i Bouddha ny “moines” mpitarika. Nanenina tamin’ny toe-javatra niseho tany Birmanie ny sasany tamin’ireo “moines”, ny ankamaroan’ny mponina any izay mpampihatra ny bouddhisme, fa eo ihany koa ny fangatsiahan’ny fifandraisana eo amin’ny samy Koreana. Nihevitra ny tenany ho mpianatry Bouddha ny filoha Moon Jae-in na dia katolika aza izy. Nandefa hafatra tamin’ny tambajotra sosialy ihany koa izy amin’ny faniriany ny hananan’izao tontolo izao ny fahendren’i Bouddha. Nolazainy ihany koa fa ny tanjaky ny “lanterne de lotus” manampy amin’ny ady amin’ny coronavirus. Nirary soa an’i Bouddha tamin’izao tsingeritaonany izao ihany koa ny mpitondra tenin’ny fikambanana maro.9Personnes touchées0InteractionsBooster la publicationJ’aimeCommenterPartager

Laisser un commentaire