ActualitésTatitra

France : Fihetsiketsehana nataon’ireo polisy tao Paris

Ny 19 may no nosafidian’ireo olom-pirenena ao Paris hanaovana diabe manoloana ny Antenimieram-pirenena mba ho fahatsiarovana sy hanomezam-boninahitra an’i Eric Masson, nisy namono ny 5 may lasa teo tao Avignon nandritra ny hetsika fisavana zava-mahadomelina nataony. Hanomezam-boninahitra ihany koa an’i Stéphanie Monfermé, masoivoho an’ireo polisy izay novonoin’ny mpampihorohoro tao Rambouillet roa ambinifolo andro talohan’ny namonoana an’i Eric Masson. Niova ho fanehoana hery anefa izany, izay novolavolaina sy nokarakarain’ireo sendikan’ny polisy. Efa azon’izy ireo antoka ny tombony ara-politika fa maro ireo mpitarika antoko, kandidà ho filoham-pirenena amin’ny 2022, mpiasa sy ireo parlemanta no nanambara fa hanatrika ity fanehoan-kery (demonstration de force) ho ataon’ny polisy ity anio 19 may. Ny alatsinainy 17 may lasa teo, nanamafy ny Ministry ny atitany Gerald Darmanin nandritra ny diany nankany Eure fa hiarahaba ireo mpanao fihetsiketsehana ihany koa izy: “ara-dalàna ny hatezeran’ireo polisy. Ao anaty sambo iray isika izao ary miara-mientana hiady amin’ny tsy fandriam-pahalemana”. “Ministra iray mampiseho ny fanoherany ny tsy fihetsehany” hoy ny eson-teny nataon’i François- Xavier Bellamy, solombavambahoaka ao amin’ny parlemanta an’i Strasbourg

Laisser un commentaire