Antsiranana : Lehilahy 3 tratran’ny Polisy nandray zava-mahadomelina.
Dépêche 09 janvier, 13h, Lehilahy miisa 03 indray no tra-tehaky ny Polisy teo am-pandraisana zava-mahadomelina mahery vaika toy ny héroïne tao Tanambao Tasaina. Mbola tratra niaraka tamin’izy ireo moa ny fitaovana maro samihafa fampiasa amin’izany ary nosamborina avy hatrany ireto andian-dehilahy ireto. Antony tsy maintsy hisamborana azy ireo dia mba ho filaminan’ny vahoaka satria voamarina hatrany fa rehefa misy famonoana olona feno habibiana na halatra na fandikan-dalàna hafa fa saika ireo olona mandray sy miankina amin’ny zava-mahadomelina no mahavita manao ireny asa ratsy ireny. Mety tsy ireto tratra ireto anefa izany ka ilaina hatrany ny fahamailoana.
