France : Nandresy manoloana ny Manchester City i PSG
Resin’ny PSG tamin’ny isa 2-0 i Manchester City nandritra ny fifanitsanana Ligue des Champions ny 28 septambra teo. Tamin’ity lalao ity ihany koa no namonoan’i Lionel Messi baolina voalohany hatramin’ny natongavany tao amin’ity klioba Français ity. Teo amin’ny minitra faha 74 izy no nampiditra izany ary Idrissa Gueye kosa no namono ny baolina voalohany teo amin’ny faha valo. Tsiahivina fa rarakin’ny Manchester City teo amin’ny lalao manasa-dàlana ny PSG tamin’ny andian’ny « Champion’s League » teo aloha.
