PolitiqueTatitra

Ady any Ukraine : Tobin-tsolika roa nirehitra noho ny fanafihana tamin’ny alalan’ny « drone »

Toeram-panatobiana solika roa no notafihan’ny « drone » omaly maraina tao Orel sy Kstovo, tanàna rosianina, any amin’ny 160km miala ny sisin-tany okrainianina sy any amin’ny 450 km any atsinanan’i Moscou, araka ny fanambarana nataon’ny governoram-paritra any an-toerana. Niteraka firehetana tao amin’ireo toerana ity fanafihana ity. Taorian’ny nisian’ny fipoahana, niezaka nifehy ny afo ireo mpiasa avy amin’ny sampan-draharaha tao an-toerana. Nanambara izy ireo fa tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy nandritra izany. Manodidina ny tamin’ny 3ora maraina, ora tany an-toerana no nitrangan’ny fanafihana ka nahamaizan’ity toeram-panatobiana soli-tany ity. Ankoatra io, dia nisehoana fanafihana tamin’ny « drone » ihany koa tao an-tanànan’i Belgorod ny alin’ny alatsinainy hifoha talata, tsy nisy ny naratra saingy nisy kosa ny fahasimbana teo amin’ny fitaovana mampita herinaratra. Vokatr’izany, kaominina miisa fito no tsy misy jiro.

Laisser un commentaire