Avaradrano : Tratran’ny polisy avy amin’ny kaomisaria foiben’Avaradrano ilay lehilahy nangalatra moto miisa roa
Saron’ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria foiben’Avaradrano, teny Ambohitrarahaba, ny lehilahy iray 31 taona, ny faran’ny herinandro ity. Nangalatra moto miisa roa ity farany, araka ny voalaza.
« Tao aorian’ny fisiana trangana halatra moto nifanesy dia nanamafy ny fanarahamaso sy fidinana ifotony ny Polisy ka lehilahy iray no hita niaraka tamin’ny kojakojana moto efa noravaina ary efa saika hivarotra izany. Rehefa nanotaniana ity farany dia niaiky fa avy amin’ny moto halatra ireo kojakoja ireo » hoy ny avy amin’ny polisim-pirenena.
« Mirongatra mihitsy ny tsy fandriam-pahalemana tato ho ato, indrindra ity halatra moto ity. Mila mailo sy mitandrina satria efa manana ireo paik’ady amin’ny fangalarana ireo olon-dratsy. Tokony hanaovan’ny polisy sy zandary ezaka ihany koa ny fisavana ireo moto satria mety maro no tsy ara-dalàna amin’izy ireny » hoy i Tiana, mpitondra tongo-droa.
Nosamborina avy hatrany moa ity lehilahy ity ary nanokafana ny fanadihadiana teny amin’ny kaomisaria.
