PolitiqueTatitra

Haïti : Nanaiky ny hametra-pialana ny pariministra Ariel Henry

Nanaiky ny hametra-pialana, ny alatsinainy 11 martsa teo, ny praiministra Haitianina, Ariel Henry, taorian’ny fisian’ireo zava-nitranga feno herisetra tao amin’ity firenena ity, araka ny nambaran’ny filohan’ny « commité des Caraïbes (caricom.) » nandritra ny lahateny manoloana ny mpanao gazety, tamin’ny fivoriana niresahana ny krizy ao Haïti ity. Nilaza ity farany fa “faly” ny tenany nanambara ny “fifanarahana amin’ny fitondrana tetezamita izay manome lalana ny hisian’ny tetezamita am-pilaminana, ny fitohizan’ny fitantanana, ny drafitr’asa fiarovana amin’ny fotoana fohy ary ny fifidianana malalaka sy madio. Nisy moa ny fivoriana maika nataon’ireo firenena ao anatin’i Caraïbes, tao Jamaïque ny alatsinainy teo, izay natrehan’ny solo-tena avy amin’ny firenena mikambana, izay nisy an’i France sy Etats-Unis mba hanolotra vahaolana manoloana ny tranga misy ao Haïti.

Laisser un commentaire