ActualitésTsidika

Colin Powell : Tsy misy tsiambaratelo ny fahombiazana

Maro amintsika tsirairay avy ny mihevitra fa manana tsiambaratelo ny fahombiazana. Diso tanteraka anefa izany, miankina amin’ny ezaka vitanao ihany no mety hampahomby na tsia anao. Betsaka ary maro karazana arak’izany ny vokatra mety ho azonao noho izy miankina amin’ny ezaka vitanao.Tsy misy hafa-tsy ny filofosana sy ny finiavana no làlana iray ahatongavana amin’ny fandresena. Miainga amin’ireo mantsy no hiezahanao bebe kokoa sy hanomananao mihoatra izay vitanao. Ny asa mafy izay natao, ny fanomanana feno fikirizana ary ny hanatry ny lesoka no fomba tena hampandroso sy hampahomby tanteraka ny olona iray. Saingy, ao anatin’ny fahalemen’ny olombelona tsirairay avy moa ny atao hoe fahakiviana, ka antony iray mety tsy hampandroso. Marina fa indraindray isika faly, ary indraindray ory. Tsy afa-misaraka amin’ny fiainantsika isanandro izany. Ny zava-dehibe fotsiny dia fahaizana mandanjalanja ireo zavatra roa lehibe ireo. »Tsy mora ny ezaka sy ny herim-po nangoniko vao tonga amin’izao tanjona misy ahy izao aho ankehitriny. Maro ary tena mafy ny sedra lalovana fa dingam-piainana daholo izany ka nodin-tsy hita. Tafita aho ankehitriny ary efa miasa amina orinasa lehibe iray fanta-daza » hoy i Prisca, tanora. « Ny zava-drehetra samy manana ny tsiambaratelony avokoa fa tsy hoe tafita ho azy amin’izao ianao raha tsy manana fikirizana. Amiko manokana anefa mahakivy ny sedra maro nolalovako ka tsy mba hatongavako any amin’izany atao hoe fahombiazana izany mihitsy » hoy kosa i Tahiry, tanora.Te-hanazava ny saintsika anefa i Colin Powell (Jeneraly misotro ronono avy any Etats-Unis) fa « tsy misy zava-miafina ny amin’ny fahombiazana. Vokatry ny fiomanana, ny fikirizana ary ny zavatra ianaranao avy amin’ny tsy fahombiazanao avokoa izany ».Esory ao an-tsaina noho izany fa maro ny zava-miafin’ny fahombiazana, miankina amin’ny atao ihany no mety na tsia, hampandresy anao. Saingy, misy ny tsy mahatsapa akory ny ezaka vitany ka manome tsiny hatrany raha sanatria ka tsy mahomby izy ireo indraindray. Arak’izany, ezaka toy ny ahoana no atao vao ho tonga amin’ny fahombiazana ny olona iray? Ireo olon-drehetra miezaka ve mety handroso sy ho lasa lavitra daholo?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire