Maro ny soa entin’ny ranon’ny mananasy mafana eo amin’ny fahasalamana
Efa vokatra izao ny mananasy ary efa hita miparitaka eny an-tsena eny. Tena mitondra fahasalamana tokoa ny mananasy na ny ranony fotsiny aza satria afaka mamono ireo sela homamiadana ny ranona mananasy mafana.
Tsotra ny fanaovana azy, tethina madinika ny mananasy silany 2 ka hatramin’ny 3 ary atao ao anaty vilia jobo. Asiana rano mafana 4 na 5 kaopy avy eo amin’izay lasa rano alcaline ary iny no sotroina mandritra ny herinandro. Mila misotro rano iray vera amin’izany ny atoandro ka 30 minitra mialohan’ny sakafo no tena tsara. Mety amin’ny rehetra ity toro-hevitra ity fa tsy voatery ho an’ny homamiada ihany satria manana hatsarana amin’ny famonoana ny « kystes » sy ny fivontosana « les tumeurs » ihany koa izy.
Tsy izay ihany fa efa voaporofo fa ny ranona mananasy mafana dia mamono ireo mikraoba sy poizina misy ao aanty vatana vokatry ny tsy fahazakana « allergies ». Manimba ny sela mamotika fotsiny ny fanafody vita amin’ny mananasy fa tsy misy fiatraikany velively amin’ny sela salama. Afaka mandrindra ny tosi-drà avo sy mahomby amin’ny fisorohana ny fanakanana ireo lalan-drà anatiny misy fiantraikany amin’ny fikorianan-drà ary mampihena ny fiakaran’ny tosi-drà ihany koa izy noho ireo acides aminés sy ny polyphenols ao aminy. Antenaina fa hitondra soa ho antsika ireo toro-hevitra izao.
Nicole Rafalimananjara
